<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.B. Dykes</author>
<hymn_number>614</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 O, Ray, jereo ny zanakao
 Mivavaka Aminao !
 Henoy ny fitarainanay
 Izay atao izao.

[V2]
 O, Ray, vonjeo ny zanakao
 Fa osa izahay ;
 Ny tananao no herinay,
 Handresy izahay.

[V3]
 O, Ray, tahio ny Zanakao !
 Ny soa Aminao ;
 Ka arotsahy aminay
 Ny fitahianao.

[V4]
 O, Ray, misaotra Anao
 izahay !
 Ka dera no atao ;
 Ny soa azonay atý
 Isaoranay Anao.

[V5]
 O, Ray, vahiny izahay !
 Tsy taninay ity !
 Ka raha hody raisonao
 Ho Aminao arý.</lyrics>
<title>O! Ray jereo ny zanakao! FFPM614</title>
</song>